<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>635</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Aina no fetra, ry Jesosy
 Tompo
 Izany no tenin'ity zanakao
 Vonon-kanaraka Anao sy
 hanompo
 Amin'ny mora sy sarotra
 hatao :
 Mandrakizay no tokim-
 panompoana
 Mamin'ny olona izay
 afakao,
 Mandrakizay hekenay
 ho faneva
 Ny holatrao nanavotana
 anay.

[V2]
 Na ny mangidy heverina ho
 mamy
 Raha miray Aminao izahay,
 Iza no tsy hahafoy ny ainy
 Mba ho Anao izay nisolo
 anay !
 Mandrakizay, ..sns.

[V3]
 Hianao, ry Jeso ! no Ilay
 Kapiteny
 Izay hampandresy tokoa
 anay ;
 Fa raha Hianao, Tompo, no
 mba miteny,
 Lasa izay mahakivy anay ;
 Mandrakizay, ..sns.

[V4]
 Vonon-kandeha na aiza
 na aiza,
 Ireto mpanompo matoky
 Anao ;
 Na dia ny fahafatesana aza,
 Tsy hahaleo anay
 mpianatrao ;
 Mandrakizay, ..sns.</lyrics>
<title>Aina no fetra ry Jesosy Tompo FFPM635</title>
</song>